Créer un site internet

MBA HENOY IHANY

MBA HENOY IHANY

Mba henoy ihany  ny rivotra mitsoka,
Manafosafo mora izao tontolo izao;
Misy hafatra ampitainy, toy ny sioka
manavatsava ao am-poto-tsofina ao.

Mba henoy ihany ny vorona misioka,
Eo am-baravarankely vao maraina;
Mamoha moramora an-dritsoka
malefaka ho an'ny ho avy hatsaraina.

Mba henoy ihany ny vanja mitsefotra,
Mety handavo an-dalan'ny fiainana.
Mitondra hakiviana, afaka hanempotra,
Tsy ho ampy ny fotoana mba hisainana.

Mba henoy ihany ny varatra mipoaka,
Manakoako mafy eny an'habakabaka.
Mampitandrina mandrisika hitsoaka,
Mba tsy hianjerana ao anaty lavaka.

Mba henoy re ny feon'ny eritreritra,
Manitika isanandro ao anaty ao.
Fitondran-tena tsara no manentana
ny fiainana eo amin'izao tontolo izao.

Mba henoy ihany ny ray aman-dreny,  
Manoro, manabe ireo taranany;
Mba hananany solofo hendry, to teny,
Ambony lavitra noho izay nananany.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
29 Janoary 2019

Ajouter un commentaire

 
×