MANINONA HOY AHO?

MANINONA HOY AHO?

Maninona hoy aho, no tsy mety mandroso,
Ity Firenena manankarena, tena lasa androrosy?
Mahatonga saina lalina ny mandinika izany,
Satria efa lavo, eny mitrosina amin'ny tany.

Maninona  hoy aho, izay nomena fahefana,
Niova sy nivadika, ny  nanohana no dakana?
Fihetsik'amboadia mitafy hodi-janak'ondry;
Ka ilay safosafo, toa nivadika ho totohondry.

Maninona hoy aho, rehefa itodiana ny taloha?
Ireo mpitandro filaminana, navoaka hamaky loha,
Nanapoapoaka grenady, sy nitifitifitra basy,
Ny vahoaka mahantra, no vonoina toa parasy.

Maninona  hoy aho, eny maninona foana re?
Ny maso no tapenana, ny sofina tsy mandre;
Mba hijery mahitsy, sy hihaino ny fitarainana.
Rehefa dinihina lalina, tena lasa ny fisainana.

Maninona hoy aho, isika manana andraikitra?
Andao ahiratra ny maso, fa tsy avela hiraikitra.
Sokafana koa ny sofina, mba ho aheno tsara.
Jerena ireo vaha olana, dia ny mbola tsy tara.

RASAMINDRAKOTROKA Andry
19 Febroary 2021

Date de dernière mise à jour : Ven 15 oct 2021

Ajouter un commentaire