MAHARI-PERY

MAHARI-PERY

Mitaraina, mikamenona,
Fa mihamafy ny fiainana;
Tsy mitsaha-miaka-bidy,
Ny akora fototra iainana.
Ny fotoana koa toa fohy,
Tsy ampy mba hisainana;
Hany hery, dia milefitra,
Ao anaty fitaintainana.

Tampotampoka eo anefa,
Tonga maro ny mpanararaotra;
Manentana ny olona,
Mambosy azy mba hitroatra.
Raha ny zava-misy moa,
Ambany dia ambany loatra;
Na aiza na aiza no aleha,
Efa miaina ambany foitra.

Mahamenatra ihany ny mandre,
Mahita an-tambazotra ireny,
Fa i Madagasikara, hono,
Mahantra ary novoleny;
Novolen’iza kosa anefa?
Hoy ireo mpanandra-tena;
Moa tsy ny fahavalo anatiny,
Mpamaroboba Firenena?

Mahatsiarova tena, mijoroa,
Mihenjàna toy ny hasy;
Ny fandrosoana izany tsy hisy,
Fa hangaina eo, hangasihasy.
Misikina fahasahiana, hijoro,  
Hihoitra, ary tena hihafy;
Inoana ianao fa hirehareha:
“Izaho tena MALAGASY!

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
15 May 2016

Date de dernière mise à jour : Jeu 23 mars 2023

Ajouter un commentaire