Créer un site internet
Professeur Andry RASAMINDRAKOTROKA Faculté de Médecine d'Antananarivo Madagascar

MAHARENA TOKANTRANO

MAHARENA TOKANTRANO

Maharena tokantrano, teny mamy nozaraina,
Ho an’ireo mpifamofo, izay vao vita mariazy.
Tsodrano nipololotra, ho tsaroana tsy sandaina;
Satria manomboka eo, ho foana  ny “ahy sy azy”.

Maharena tokantrano, tsy mitaky zava-maro;
Koloina hatrany kosa, ilay fitiavana  hateza.
Tsy ho sodokan’ny akanga tia mifangaroharo;
Fa hiezaka isan’andro, ny tsy mety aleo meteza.

Maharena tokantrano, no hiezahan’ny rehetra;
Tsy hitsaba-kitsikera amin’ny saina lomorina.
Hahatanteran’ilay voady, tena aina no ho fetra ;
Ka ireo mpivady vao, no tena hifofotra hanorina.

Maharena tokantrano, ho an’ireo mpivady vao.
Teny tsy mandeha ho azy, fa mifono hevi-dalina
Hosaintsainina isanandro, satria fiainam-baovao,
Aorina manomboka eto, ka ilana saina malina.

Maharena tokantrano, homban’ny herin’ny Tsitoha;
Ka hiadana, hambinina amin’izay rehetra hatao.
Aza hadino ny mivavaka, rehefa hatory na hifoha;
I Jesoa no Vatolampy, andrin-tokantranonao.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
02 Septambra 2016

Date de dernière mise à jour :

Ajouter un commentaire

Anti-spam