MAHARENA TOKANTRANO

MAHARENA TOKANTRANO

Maharena tokantrano, teny mamy nozaraina,
Ho an’ireo mpifamofo, izay vao vita mariazy.
Tsodrano nipololotra, ho tsaroana tsy sandaina;
Satria manomboka eo, ho foana  ny “ahy sy azy”.

Maharena tokantrano, tsy mitaky zava-maro;
Koloina hatrany kosa, ilay fitiavana  hateza.
Tsy ho sodokan’ny akanga tia mifangaroharo;
Fa hiezaka isan’andro, ny tsy mety aleo meteza.

Maharena tokantrano, no hiezahan’ny rehetra;
Tsy hitsaba-kitsikera amin’ny saina lomorina.
Hahatanteran’ilay voady, tena aina no ho fetra ;
Ka ireo mpivady vao, no tena hifofotra hanorina.

Maharena tokantrano, ho an’ireo mpivady vao.
Teny tsy mandeha ho azy, fa mifono hevi-dalina
Hosaintsainina isanandro, satria fiainam-baovao,
Aorina manomboka eto, ka ilana saina malina.

Maharena tokantrano, homban’ny herin’ny Tsitoha;
Ka hiadana, hambinina amin’izay rehetra hatao.
Aza hadino ny mivavaka, rehefa hatory na hifoha;
I Jesoa no Vatolampy, andrin-tokantranonao.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
02 Septambra 2016

Ajouter un commentaire