HO FIRENENA SANGANY

HO FIRENENA SANGANY 

Raha te hivoatra eo amin'ny fiainana ;
Mila miova tanteraka ny foto-pisainana.
Miezaka miala amin'ny mangata-dava ;
Vao maraina miasa ny zavona  hisava.

Ilaozana ny fihetsika mampandry adrisa,
Mandoka tena foana anefa mampikorisa.
Fiaraha-mientana hivoatra no tena ilaina ;
Tsy hampanantena lava no foto-pisaina.

Beazina ny rehetra hanan-tsaina miabo ;
Hijoro, hitraka tsy handohalika toa babo.
Ialàna izay rehetra heverina ho tarazo,
Ny fisainan-dresy lava tsy avela hahazo.

Ezahina hatsaraina ny sehi-panabezana,
Hifanandrify amin'ny filan'ny tanindrazana ;
Hiatrehina mavitrika ny tokony hirosoana,
Hitondra hery vao ho an'ny fampandrosoana.

Ny tomponandraikitra isan'ambaratonga,
Mba tena hifofotra tsy hanao somonga.
Handinika lalina izay hivoaran'ny Nosy ;
Tsy lany andro mangataka toa androrosy.

Trandrahana ara-drariny ny mety ho harena ;
Fampandrosoana isam-paritra tena ekena.
Tsy misy atao antsisim-bala ny Malagasy ;
Samy tompon-tany, tsisy avela hangasihasy.

Manomboka izao ny hany atao an-tsaina,
Madagasikara mandroso no volavolaina.
Miara-miezaka mifofotra ahazoany laka,
Ho lasa Firenena sangany sy tompon-daka.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
19 Septambra 2022

Date de dernière mise à jour : Mer 21 sept 2022

Ajouter un commentaire