Créer un site internet

LESOM-PIAINANA

LESOM-PIAINANA

Raha iny mipetraka iny,
Ka mitodika ny lasa;
Lasa ihany ny fisainana,
Mamisavisa ny fahiny.
Ny tontolo sy kinasa,
Vesatra ny adidy niainana!

Raha sendra mamindra iny,
Lavitra ny lalan-kaleha;
Mitamberina tsy zaka zakaina,
Ny ziogan’ny fanomezan-tsiny.
Avy amin’ny mpirehareha;
Ka mandemy ny fo sy saina.

Raha tonga ny fotoana,
Hangalana ny torimaso;
Lasa ho azy ny fisainana,
Banjinina ny manoloana,
Visavisaina ireo ankaso.
Izany tokoa ve ny fiainana?

Maro ny lala-nodiavina;
Tao ny mora, tao ny sarotra,
Ny nisosa, ny namahatra,
Ny niiba tsy hita holavina,
Ny niabo toa nasalotra.
Izany tokoa ve no lahatra?

Nivalona daholo izany,
Lasa tsy nipody intsony;
Lany remby nirenireny,
Tsy narahana tomany.
Nikatso ery ampitan'ony;
Lesom-piainana daholo ireny.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
27 Oktobra 2018

Ajouter un commentaire

 
×