Créer un site internet

LALAN-TSAROTRY NY FIAINANA

LALAN-TSAROTRY NY FIAINANA

Tsy tsiriry vorona ny fifankatiavana,
Ka mikopak'elatra dia iny tsy tazana ;
Fa tsiriry ahitra lo an-tany aniriana,
Ampoky ny soa, anjakan'ny fifaliana.

Tsy olonolompoana ny olona vadiana,
Toa oram-baratra mitondra fahoriana ;
Fa olona nofidiana tao anatin'ny maro,
Mila tsara fantatra, alalino sy fantaro.

Tsy tany nalavoana ny orin-tokantrano,
Ka mampidaraboka mampiditra angano ;
Fa vato niorina ambonin'ny tany marina,
Na misy mandona tsy miontsina, miarina.

Tsy farahidiny ny toeram-panabeazana,
Ka aorina eo anivon'ny tany ngazana ;
Fa toerana nofinidy mba tena miavaka,
Mandray ny rehetra, tsy manavakavaka.

Tsy fahitr'omby akory ny toeram-piasana,
Ka hanaovan-don-tandroka anaty kijana ;
Fa toeram-panaovana ny soa sy ny tsara,
Hizarana traikefa amin'ireo dimby sy fara.

Tsy andrakandrana koa ny fiainana an-tany,
Ka alefa  migodàna, fa ho any fa ho any ;
Fa mila dinihina tsara ny lalan-kizorana,
Mba tsy ho solafaka, tsy hisian'ny olana.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
12 Aogositra 2022

Ajouter un commentaire