LALAM-PIAINANA
Rehefa tonga ny hariva,
mamerovero feno hanitra,
ny masoandro koa madiva,
hilentika am-paravodilanitra
Maro ny adidy natrehana,
nisy ny nety, ny tsy nahomby,
ny hevi-maro, ny firehana,
ny feno tapany, ny tsy omby.
Nanombana ny ezaka efa vita,
nisaintsaina ny tsy tontosa,
namisavisa ny tsy mbola hita,
niketrika ny vina mba hisosa.
Lalam-piainana daholo izany,
Lalantokana tsy maintsy izorana,
miezaka manao ny mety hatrany,
na main'andro, na koa manorana.
Mila manana toe-tsaina miabo,
ny tsy mety ho honga lafatra
ka na ny tanivo na ny tanavo,
Mendrika vato amelan-kafatra.
RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
16 Febroary 2025
Date de dernière mise à jour : Mer 19 fév 2025
Ajouter un commentaire