IZAY TOKONY HO FILOHA

IZAY TOKONY HO FILOHA

Mandeha ny serasera, resadresaka, eny ho eny;
Mahakasika izay tokony hofidiana ho filoham-pirenena.
“Mba toa inona izy izay?” raha ny heno ombieny ombieny.
Satria ny zava-misy sy miseho efa mampanontany tena.

Betsaka ankitriny no efa nanambara sy nanolo-tena;
Hilatsaka hofidina sy ny hisafidianana amin'izany.
Ilaina koa ho mazava ny mason-tsivana hoekena.
Raha tsy izany, ratsy ny safidy, nenina aman-tany.

Ny toetra manan-danja tokony hananany aloha;
Dia fahatahorana ny Tompo Ray Anďriamanitra.
K'izay hataony rehetra hankininy Aminy avokoa.
Raha izay, tretrika sy sambatra ny ambany lanitra.

Jerena, hadihadiana ny fandalany fahamarinana.
Ny fizara ara-drariny izay mety harem-pirenena.
Tsy mizana mitanilana an'ny ory na ny manana.
Samy hahazo ny anjara mbamin'ireo mananotena.

Tombanana halalinina izay tena ho vinaniny;
Na ara-kolotsaina, ara-tsosialy, ara-toekarena.
Mba azo tanterahina sa revy mandeha ilany?
Tena hisy fiantraikany hampandroso Firenena.

Mila mailo mitandrina am’ireo “ronono an-tavo”;
Mampanantena tsy misy hambabo fo sy saina.
Izy miha-mahazo aina, ny vahoaka mihamalazo.
Ho diso fanantena lalina rehefa tonga saina.

Ho malina tsy sodokan'ireo tolotolotra madinika:
Kasikety, "tee-shirt", vary menaka sy siramamy.
Handrebireby, hamilivily ny safidy tsy ho voadinika.
Aty aoriana vao tonga saina, ilay Filoha efa lany.

Kendrena tsara izay mendrika hofidina ho Filoha;
Hitondra Firenena ho any amin-tena fandrosoana.
Misy olom-baovao, misy koa ireo taloha.
Izay mahavita azy ihany no aleo haroso anoloana.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
14 Marsa 2018

Date de dernière mise à jour : Ven 15 oct 2021

Ajouter un commentaire

 
×