IZAHO SY IANAO

IZAHO SY IANAO

Izaho sy ianao niara-dia,
Ampolo-taona maro.
Mpianadahy, mpinamana,
Lazaina koa mifankatia.
Tsy nifankafoy, nifampiaro,
Amin'izay rehetra namana.

Izaho sy ianao niara-niezaka,
Nanavatsava ny fiainana;
Lalan-tsarotra no nodiavina,
Nilofo mafy tsy hifezaka.
Nikaroka fotoana isainana,
Mba hahazo izay tadiavina.

Izaho sy ianao niara-nihafy,
Nitsinjo foana ny ampitso;
Mba hahafahana miatrika,
Ny tampoka mety ho mafy.
Nahomby hatrany tsisy diso.
Mifampijery, mifanatrika.

Izaho sy ianao ankehitriny,
Nahazoazo taona ihany.
Fanahy, fo sy saina matotra,
Tompon-tany, tsy vahiny.
Ka tsy ho lavo amin-tany,
F’efa tena mifamatotra.

Izaho sy ianao no ohatr’izao,
Noho ny fitiavan'nyTompo.
Niaro foana sy nivimbina;
Hatramin'izay, hatramin'izao.
Ka tsy hitsahatra hifanompo,
Hifanohana, hifampitsimbina.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
25 Febroary 2019

Ajouter un commentaire