ITY FIAINANA ITY

ITY FIAINANA ITY

Ity fiainana ity, hoy ry zareo mpandalina,
Jerena mandeha ho azy, fa hilaina malina.
Ho an'ireo mpieritreritra, tsy mampatory alina.
Raha misy tsy mety, mampifoha sasakalina.

Ity fiainana ity, mivadibadika toa kodiaran-tsarety,
Ny ambony lasa ambany, eo vao may ny tanety!
Ny ambany lasa ambony, hanomboka ny fety;
Anio toa sahirankirana, ny ampitso metimety.

Ity fiainana ity, toy ny masoandro miposaka,
Mandefa hazavana, toy rano indray natosaka.
Na ho an'ny marina io, na ho an'ny kapotsaka.
Trany daholo, na te hijanona, na te hitsoaka.

Ity fiainana ity, mety toy ny masoandro milentika,
Nahavita lalana, nandeha tsara, na diso tetika.
Ny lasa tsy hipodiana, tsy hiverena-matetika;
Izay vita dia vita, na mahaory na mahatretrika.

Ity fiainana ity, mety ho sarotra, mety ho mora,
Na ho an'ny ireo sarotiny, na tia goragora,
Na ho an'ny olo-marina, na ho an'ny fatsora,
Na ho an'ny olon-tsy be teny, na ireo fotsy rora.

Ity fiainana ity, raha dinihina, toa mandalo ihany,
Toy ny zava-miaina rehetra eto ambonin'ny tany.
Na ireo manana na ory, tsy anavahana izany,
Teraka tsenam-pifaliana, maty arahin-tsento sy tomany.

Ity fiainana ity, na hiankavanana, na hiankavia,
Aza ny “ampiana, ampiana” ihany, na efa feno ny lovia.
Hararaoty ny fanaovan-tsoa, miezaha mba hahatehotia,
Ny modely arahinao, iray ihany, dia i Jesoa Kristy.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
28 Janoary 2018

Ajouter un commentaire