IREO REHETRA NOBEAZINA

Mahatsiaro an'ireo rehetra,
zandry zanaka nobeazina,
am-pitiavana tsy misy fetra,
ny nahatafitany no noezahina.

Maro ny tsy taova tsy volivolo,
nosokajina toy ny zanaka ;
nisongadina, naha velom-bolo,
olom-banona toa taranaka.

Ao ireo kibo iray no nifonosana,
nifanabe tamin-potoana sarotra ;
dobo iray no nilomanosana,
fiarahana niezaka no nasalotra.

Tsy adino ny zanaka nateraka,
adidy an-tànana nomen-Janahary ;
nobeazina hianatra, tsy hifezaka,
miara-dàlana amin’ilay nahary.

Irin’olona, fa tsy haniry olona anie,
amin’ny asa sy ny tokantrano.
Hanatsara ny vita, hanohy hanabe,
marina, mahitsy toa fandrin-drano.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
10 Septambra 2024

Date de dernière mise à jour : Sam 14 sept 2024

Ajouter un commentaire

 
×