INY TSIKINAO INY

INY TSIKINAO INY

Iny tsikinao iny, raha vao maraina,
Manintona ny saina.
Raha maso mitopy mifanojo aminy,
Migoka ny maminy.

Iny tsikinao iny, raha sendra tsikariko,
Tonga dia voamariko.
Voatokana ho ahy tontolon'ny andro,
Na alina na antoandro.

Iny tsikinao iny, mandalo sy miserana,
Tsy hita ho ferana.
Tena kanto loatra, mampidoboka ny fo,
Tsy mety simba na lo.

Iny tsikinao iny, niantefa manokana,
Ho an’olon-tokana.
Voaray tsara tsy nisy raraka an-tany,
Satria feno mamy.

Iny tsikinao iny, singa iray tena sarobidy,
Satria lafo vidy.
Mitory aingam-panahy tsy tonta fa vao,
Eny amin'ny endrikao.

Iny tsikinao iny, mifono fitiavana lalina,
Tsy saropatarina.
Tsy atakalo na omena ny olon-drehetra,
Fa efa voafetra.

Iny tsikinao iny, tsiky lalim-paka foana,
Mandavantaona.
Tsikim-pahasambarana ifampizaràna,
Toy ny mana tao Kanana.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
11 Aogositra 2022

Ajouter un commentaire