INY RAOZY MENA INY

INY RAOZY MENA INY

Iny ilay raozy mena iny,
Izay natolotra ho anao;
Vao niotazana maraina.  

Tsotra, meva, tsisy tsiny,
Anefa tena tsara kalitao,
Mambabo fo sy saina.

Raozy fambara fitia,
Singa tokana ihany.
Mitondra hafa-dehibe,
Tamin'olon-tena tia;
Matotra, tsy be vinany,
Amin'izay rehetra aleha.

Raozy mena tsara fantina,
Tanatin-draozy maro.
Miavaka ny hakantony,.  

Manitra e, sady mandina.
Diniho akaiky dia fantaro,
Ny fanahiny sy ny haavony.

Raozy mena voatahiry.
Nijanona kanto, tsara foana.
Anaty takelaka baiboly iray;  

Toy ny fitiavana vao nitsiry,
Niha lehibe mandava-taona;
Tena lalaina mandrakizay.

Andry Tiana RASAMINDRAKOTROKA
10 Desambra 2018

Date de dernière mise à jour : Dim 17 oct 2021

Ajouter un commentaire