ILAY MBA FAHAIZANA KELY
Ilay mba fahaizana kely,
Tsy lala dia lasa ambony,
Tsy hahatonga ho modely,
Na hitroatra ianao na tony.
Ilay fahalalana tena bitika,
Tsy ampy hampitraka akory;
Tsipindy tokana, dia mipitika,
Resy midaboka matory.
Ny zavatra vitsy mba hay,
Tsy dia hita misongadina;
Toy irony fatana kitay,
Azo ekena, azo lavina.
Na be aza ny efa fantatra,
Tsapa ho tsy ampy ihany;
Maro be ny ankamantatra,
Raha mbola tany koa ny tany.
Araka ny ahalalana,
Raha dinihina, jerena;
No mazàna ahatsapana,
Fa kely bitika ny tena.
Ny fiainana tokoa fianarana,
Ahafaha-miatrika fiainana;
Mila toavina ny fananarana,
Izay rehetra iainana isainana.
RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
01 Martsa 2020