Créer un site internet

ILAY MBA FAHAIZANA KELY

ILAY MBA FAHAIZANA KELY

Ilay mba fahaizana kely,
Tsy lala dia lasa ambony,
Tsy hahatonga ho modely,
Na hitroatra ianao na tony.

Ilay fahalalana tena bitika,
Tsy ampy hampitraka akory;
Tsipindy tokana, dia mipitika,
Resy midaboka matory.

Ny zavatra vitsy mba hay,
Tsy dia hita misongadina;
Toy irony fatana kitay,
Azo ekena, azo lavina.

Na be aza ny efa fantatra,
Tsapa ho tsy ampy ihany;
Maro be ny ankamantatra,
Raha mbola tany koa ny tany.

Araka ny ahalalana,
Raha dinihina, jerena;
No mazàna ahatsapana,
Fa kely bitika ny tena.

Ny fiainana tokoa fianarana,
Ahafaha-miatrika fiainana;
Mila toavina ny fananarana,
Izay rehetra iainana isainana.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
01 Martsa 2020

Ajouter un commentaire

Sélectionnez l'image visible le moins de fois
×

Gestion des cookies

andryrasamindrakotroka.e-monsite.com dépose des cookies pour améliorer votre expérience de navigation, mesurer l'audience du site internet, afficher des publicités personnalisées, réaliser des campagnes ciblées et personnaliser l'interface du site.