IANAO

Ianao, olon-tsotra,
Hita teny rehetra teny ;
Vitan-tsiky tsy ankiteny.

Ianao, mpiara-monina,
Mifankahita isanandro,
Maraina, hariva, antoandro.

Ianao, namana tsy foy,
Toy ny rano sy ny vary,
Tsy mifandao tsy mifanary.

Ianao, iray tampo, iray aina,
Kitapo iray no nifonosana,
Dobo iray no nilomanosana.

Ianao, ray sy reny nikolokolo,
Namelona, nanabe, nahatafita,
Mendri-piderana nahavita.

Ianao, zanaka aman-jafy,
Reharehan-dray aman-dreny,
Tantarainy ombieny ombieny.

Ianao, vady andefimandry,
Eo foana amin'ny fotoan-drehetra,
Amim-pitiavana tsy misy fetra.

Ianao, teny mifono hevi-dalina,
Na ho an'ny akaiky na ny lavitra,
Teny mivoy zava-mahafinaritra.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
17 Aogositra 2024

Date de dernière mise à jour : Mar 20 août 2024

Ajouter un commentaire

 
×