Ianao ilay olon-tokana tonga nanatona ahy,
toy ny voro-manidina namonjy ny akaniny,
ilay nandray ahy, ho ilay voatokana ho anao,
raha mitoetra mandrakariva ao am-ponao aho,
dia ho fanoitra lehibe hiatrehako ny fiainana.
Ianao ilay kintana, masoandro amam-bolanako,
ilay rako, Ilay nofinidiko tao anatin'ny maro.
Raha velona, eo anilako mandrakariva ianao,
dia ho tandindonao aho, ho alokin’ny alokao,
ka ny fonao no akany fonenako mandrakizay.
RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
25 Aprily 2025