Créer un site internet

HOY IANAO

HOY IANAO

Hoy ianao, tsy mba taitra,
Raha mangina aho misaina;
Amin'ny feonao manaitra,
Tohina aho, tsy mitaraina.

Hoy ianao, vao maraina,
Tsy mba henoko akory;
Ny ferinao nanaintaina,
Izaho nidaboka, natory.

Hoy ianao : “tsy mijery!”
Adinoko ny tokony hatao.
‘Zato teny toa manery:
Valin-teny izao dia izao.

Hoy ianao, manome tsiny,
“Ny fihetsikao diso hatrany!”
Manonjanonja anaty siny,
Izaho mitopa anaty akany.

Olon-droa tsy hary hitovy,
Nobeazina, samy azy ny azy;
Saingy niezaka hampitovy,
Tsy hisy intsony ny adiady.

Ity tsy ialan-kasokasoka;
Iroa tsy ialan-dromoromo;
Izay miforitra no mila pasoka,
Ny fitiavana ezahin-kitombo.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
23 Febroary 2021

Date de dernière mise à jour : Lun 22 avr 2024

Ajouter un commentaire

 
×