HONO HOY AHO RY OLONA INY?

HONO HOY AHO RY OLONA INY?

Hono, hoy aho, ry olona iny,
Inona indray ary ity fihetsikao?
Ohatra ny taloha ny ankehitriny;
Tsy miova mihitsy ny tonta ho vao.

Hono, hoy aho, ry olona iny;
Misy ny fotoana, mety mifamaly.
Mahavariana fa ny niseho fahiny,
No indro miverina hatry ny omaly.

Hono, hoy aho, ry olona iny,
Voahevitra tsara ve ny teny avoaka?
Madio ve ny saina, sa tsy misy tsiny?
Satria avy eo, iny lasa mitsoaka.

Hono, hoy aho, ry olona iny,
Mora mitrifana tsy hita hoe ahoana.
Natao hoe niova, hay namaky siny;
Mahery fiteny sy minaonaona.

Hono, hoy aho, ry olona iny,
Sarotra iresahana fa matoky tena.
Ny anio tsy ohatra ny niseho fahiny;
Raha midaboka eo dia tena ho lena.

Hono hoy aho, ry olona iny,
Miserana anie ny fiainana an-tany!
Satria ny rehetra anie mpivahiny;
Veloma eo izay tsy mahalala izany!

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
16 Marsa 2019

Ajouter un commentaire

 
×