Créer un site internet

HIHIRA AHO HO ANAO

HIHIRA AHO HO ANAO

Hohiraiko ny omaly,
Ny omaly tsy mba fanadino;
Ny fitiavantsika nifamaly,
Nandeha tsara, tsy nampino.

Hohiraiko ny anio,
Ny anio tsy ho latsa-danja;
Ho voatahiry, voarakitr'io,
Ka tsy mety ho lany manja.

Hohiraiko ny ampitso,
Ny ampitso: zava-maro;
Na iray, telo, dimy, fito,
Tsy ahiana, fa fantaro.

Hohiraiko ny hoavy,
Ny hoavy tsisy fetra;
Soa moa ny mpianakavy,
Ho fifalian'ny rehetra.

Hihira aho, hira ho anao,
Ianao, ilay andefimandriko;  
Hatramin'izay, hatramin'izao,
Hany tokako voatandriko.

Hihira aho, ny feo anefa gara,
Hihira hanako any an-danitra;
Hihira, hiezaka aho ho tsara,
Hihira, hidera an'Andriamanitra.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
13 Janoary 2020

Ajouter un commentaire