Créer un site internet
Professeur Andry RASAMINDRAKOTROKA Faculté de Médecine d'Antananarivo Madagascar

HIARAKA ISIKA HISIDINA ANY HO ANY

HIARAKA ISIKA HISIDINA ANY HO ANY

Hiaraka isika roa an’habakaba any,
Handinika ny tany.
Hijery ny zava-misy eny rehetra eny,
Tsy ankiteniteny.

Aleo avela eo ity tanin-kerisetra,
Tena mampitsetra.
Tsy mitsahatra ny mandatsaka aina,
Manoatra noho i Kaina.

Hisidina miaraka ambony lavitra any,
Hanorina akany.
Hanadinoana ny fahalovana lalina,
Maha valalanina.

Any isika mahita ny fitoniana rehetra,
Tsy misy fetra.
Fiainana anjakan’ny fiadanan-tsaina,
Tsy hita ho tanisaina.

Hifanjoy, hifampitantana any isika roa,
Ho tretrika tokoa,
Ny tontolo manodidina tena tonga lafatra,
Ny lanitra efa takatra.

Any isika miaina akanim-pahasambarana,
Tsy manam-pitsaharana.
Akaikin’Andriamanitra, Tompo Ray Tsitoha,
Tena ampoky ny soa.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
11 Août 2022

Date de dernière mise à jour :

Ajouter un commentaire

Anti-spam