HIARAKA ISIKA HISIDINA ANY HO ANY

HIARAKA ISIKA HISIDINA ANY HO ANY

Hiaraka isika roa an’habakaba any,
Handinika ny tany.
Hijery ny zava-misy eny rehetra eny,
Tsy ankiteniteny.

Aleo avela eo ity tanin-kerisetra,
Tena mampitsetra.
Tsy mitsahatra ny mandatsaka aina,
Manoatra noho i Kaina.

Hisidina miaraka ambony lavitra any,
Hanorina akany.
Hanadinoana ny fahalovana lalina,
Maha valalanina.

Any isika mahita ny fitoniana rehetra,
Tsy misy fetra.
Fiainana anjakan’ny fiadanan-tsaina,
Tsy hita ho tanisaina.

Hifanjoy, hifampitantana any isika roa,
Ho tretrika tokoa,
Ny tontolo manodidina tena tonga lafatra,
Ny lanitra efa takatra.

Any isika miaina akanim-pahasambarana,
Tsy manam-pitsaharana.
Akaikin’Andriamanitra, Tompo Ray Tsitoha,
Tena ampoky ny soa.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
11 Août 2022

Ajouter un commentaire

 
×