Créer un site internet

HAFATRA HO AN'NY TARANAKA

HAFATRA HO AN'NY TARANAKA

Anaka, indreto misy hafatra vitsy,
Holazaina sy hotsindriana etoana.
Hozaraina dieny mbola tsaroana,
Amin-teny mazava sy tena mahitsy;
Satria heverina f’efa tonga ny fotoana.

Mandeha miroso moramora mantsy
Ny andro sy ny volana ary taona;
Ny ray aman-dreny eo ambavahaona.
Toy ny akondro ambanana antsy;
Manambara zava-tsaro-manoloana.

Mikasika ny fiatrehana ny fiainana,
Ilaina ny milofo sy miasa mafy.
Raha sendra olana, aleo aloha mihafy;
Kajio hatrany ny fotoana mba hisainana,
Ary mioitra, miarina, sy manova fitafy.

Tanjona ny hotsongoin’olom-bolo,  
Ho tabia, ho rehareham-pirenena,
Amin'ny zava-bita tamim-pahendrena;
Beazina ireo tsy taova sy tsy volovolo  
Ho sambatra, tsy ho isan'ireo mosarena.

Izay ankinina aminao sy iandraiketana;
Tanteraho hatrany amim-pahamarinana.
Halaviro ny fanaovan-dika vilana,
Soraty ho tadidy ao anaty firaketana.
Mba hahitsy ny fijery, tsy hisompirana.

Ho mafy tsara fototra ny tokantrano,
Ho tany lonaka hivelaran'ny taranaka.
Mba hiray hina, tsy hisamatsamaka;
Tsy ho azon-tsampona, tsy hidiran'angano,
Ho tena sambatra ny vady aman-janaka.

Ho laharam-pahamehana ny vavaka;
Manankina ny fiainana amin'Andriamanitra.
Mba hirotsaham-pitahiana, ho salanitra,
Ny tokantrano sy taranaka tsy ankanavaka.
Ny fiainana eto an-tany toy ny any an-danitra.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
01 jona 2019

Ajouter un commentaire