Créer un site internet
Professeur Andry RASAMINDRAKOTROKA Faculté de Médecine d'Antananarivo Madagascar

HAFATRA HO AN'NY TARANAKA

HAFATRA HO AN'NY TARANAKA

Anaka, indreto misy hafatra vitsy,
Holazaina sy hotsindriana etoana.
Hozaraina dieny mbola tsaroana,
Amin-teny mazava sy tena mahitsy;
Satria heverina f’efa tonga ny fotoana.

Mandeha miroso moramora mantsy
Ny andro sy ny volana ary taona;
Ny ray aman-dreny eo ambavahaona.
Toy ny akondro ambanana antsy;
Manambara zava-tsaro-manoloana.

Mikasika ny fiatrehana ny fiainana,
Ilaina ny milofo sy miasa mafy.
Raha sendra olana, aleo aloha mihafy;
Kajio hatrany ny fotoana mba hisainana,
Ary mioitra, miarina, sy manova fitafy.

Tanjona ny hotsongoin’olom-bolo,  
Ho tabia, ho rehareham-pirenena,
Amin'ny zava-bita tamim-pahendrena;
Beazina ireo tsy taova sy tsy volovolo  
Ho sambatra, tsy ho isan'ireo mosarena.

Izay ankinina aminao sy iandraiketana;
Tanteraho hatrany amim-pahamarinana.
Halaviro ny fanaovan-dika vilana,
Soraty ho tadidy ao anaty firaketana.
Mba hahitsy ny fijery, tsy hisompirana.

Ho mafy tsara fototra ny tokantrano,
Ho tany lonaka hivelaran'ny taranaka.
Mba hiray hina, tsy hisamatsamaka;
Tsy ho azon-tsampona, tsy hidiran'angano,
Ho tena sambatra ny vady aman-janaka.

Ho laharam-pahamehana ny vavaka;
Manankina ny fiainana amin'Andriamanitra.
Mba hirotsaham-pitahiana, ho salanitra,
Ny tokantrano sy taranaka tsy ankanavaka.
Ny fiainana eto an-tany toy ny any an-danitra.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
01 jona 2019

Date de dernière mise à jour :

Ajouter un commentaire

Anti-spam