Créer un site internet

HAFATRA AMPITAINA

HAFATRA AMPITAINA

Ravorona iry ô, handeha ho aiza izato ianao?
Mivikavika vao maraina toa maika izato izy.
Ny fikopaky ny elatrao toa mira angorodao;
Milamindamina aok'izany tsy iharan'ny kirizy.

Ravorona iry ô, mba ho mivilia ange ianao!
Hitondra hafatra kely hampitaina any ho any.
Hozaraina eny an-dàlana asa izay hevitrao?
Fa mety mahasoa ny mponina eto an-tany.

Ravorona iry ô, izao ‘lay hafatra hampitaina:
Dia ny mba hifankatiavan'ny olona rehetra,
Aoka tsy hifamono, lahitokana e ny aina!
Tokony hokajiana amin'ny fotoana ts’isy fetra.

Ravorona iry ô, mba ampitao koa hoe:
Mba tandrovy hono re ny fahamarinana,
Toy ny anakandriamaso, hoy ny teny fandre;
Hofoanana tanteraka ny fanaovan-dikavilana.

Ravorona iry ô, ambarao koa fa ny fifanajana,
Amin'ny samy olombelona hita eny rehetra eny;
Taratry ny tsara an-trano sy ankalamanjana.
Indrindra ny fanoavana ireo ray aman-dreny.

Ravorona iry ô, aza manadino ny fahazotoa-miasa,
Ka hisy fandrosoana sy fivoarana ao anaty Firenena.
Ary ho tanteraka avokoa ny zavatra kinasa;
Amin'izay angamba vao hisy tena fahaleovantena.

Ravorona iry ô, ny hafatra farany tsy hadinoina:
Mivavaka mafy amin'Andriamanitra Ray;
Miasà mafy foana, saingy aleo Izy antsoina,
Raha tsy ambininy mantsy, izay hitranga tsy hay!

RASAMINNDRAKOTROKA Andry Tiana
18 Aprily 2019

Ajouter un commentaire