Créer un site internet
Professeur Andry RASAMINDRAKOTROKA Faculté de Médecine d'Antananarivo Madagascar

FITOPOLO TAONA NA VALOPOLO TAONA

 

FITOPOLO TAONA NA VALOPOLO TAONA

Fitopolo taona na valopolo taona,
No niezahana nanao ny kely mety ho vita,
Alohan'ny hiampita ;
Any amin'ny lalana handehanan'ny rehetra,
Rehefa tonga ny fetra.

Fitopolo taona na valopolo taona,
No natopatopan'ny onjan-dranomasina,
Vao nahita hasina.
Niezahana nampivoatra ny fiainan'isanandro,
Na alina na antoandro.

Fitopolo taona na valopolo taona,
Nihazakazahana namitana ireo adidy,
Tena sarobidy ;
Nizarana ny fahaizana sy ny traikefa nanavanana,
Ho an'ny tsy nanana.

Fitopolo taona na valopolo taona,
Mirimorimo tsy ankijanona izany fotoana izany,
Mahalasa vinany.
Araraotina hatrany ny fanaovan-javatsoa,
Mahatretrika tokoa.

Fitopolo taona na valopolo taona,
Raha mateza no voarakitry ny baiboly,
Teny mahangoly ;
Tsy maintsy atrehin'ny rehetra anefa izany,
Raha mbola eto an-tany.

Fitopolo taona na valopolo taona,
No niomanana hiatrika ny Ray Tsitoha ;
Tsy manam-paharoa.
Ka na vato mandondona, na hazo amoron-tevana,
Mila ny Tompo ho tetezana.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
09 Jolay 2023
--------

Rohy: https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/fitopolo-na-valopolo-taona

Date de dernière mise à jour : Tue 25 Jul 2023

Ajouter un commentaire

Anti-spam