FITOPOLO TAONA NA VALOPOLO TAONA

 

FITOPOLO TAONA NA VALOPOLO TAONA

Fitopolo taona na valopolo taona,
No niezahana nanao ny kely mety ho vita,
Alohan'ny hiampita ;
Any amin'ny lalana handehanan'ny rehetra,
Rehefa tonga ny fetra.

Fitopolo taona na valopolo taona,
No natopatopan'ny onjan-dranomasina,
Vao nahita hasina.
Niezahana nampivoatra ny fiainan'isanandro,
Na alina na antoandro.

Fitopolo taona na valopolo taona,
Nihazakazahana namitana ireo adidy,
Tena sarobidy ;
Nizarana ny fahaizana sy ny traikefa nanavanana,
Ho an'ny tsy nanana.

Fitopolo taona na valopolo taona,
Mirimorimo tsy ankijanona izany fotoana izany,
Mahalasa vinany.
Araraotina hatrany ny fanaovan-javatsoa,
Mahatretrika tokoa.

Fitopolo taona na valopolo taona,
Raha mateza no voarakitry ny baiboly,
Teny mahangoly ;
Tsy maintsy atrehin'ny rehetra anefa izany,
Raha mbola eto an-tany.

Fitopolo taona na valopolo taona,
No niomanana hiatrika ny Ray Tsitoha ;
Tsy manam-paharoa.
Ka na vato mandondona, na hazo amoron-tevana,
Mila ny Tompo ho tetezana.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
09 Jolay 2023
--------

Rohy: https://vetso.serasera.org/tononkalo/andry-tiana/fitopolo-na-valopolo-taona

Date de dernière mise à jour : Mar 25 juil 2023

Ajouter un commentaire

 
×