FITOPOLO TAONA ANDROANY

FITOPOLO TAONA ANDROANY

Fitopolo taona androany, ilay olona iray.
Ny volony mainty taloha, efa tena nihafotsy.
Ny heriny sy tanjany, izay nomen'ny Ray;
Nentiny nanasoavana, nentiny nandrotsirotsy.
Ny feony avo nanaitra, nizarany ny tao am-pony;
Efa iva dia iva, tsy toy ny taloha intsony.

Fitopolo taona androany, ilay olom-pirenena,
Nanokana manontolo, ny fiainany rehetra;
Tamin'ny asa fanompoana, nanolorany tena.
Tsy nanadino tokantrano, ary ny aina no fetra,
Niezahany tsy niato, tsy maraina tsy hariva,
Vao mangiran-dratsy, hatramin'ny alina madiva.

Feno fitopolo taona androany, ilay mpitsabo izay,
Ary koa mpampianatra teny Anjerimanontolo.
Maro ireo notsaboiny sy nobeaziny hatrizay,
Miriaria sy tafita ary tsongoin'olom-bolo.
Fitsaboana sy fampianarana, tokoa mantsy,
Tsy azo tsinontsinoavina, fa ilaina toy ny vatsy.

Fitopolo taona androany, ilay zoky be toa ray;
Ilay voara be endriky ny saha, tokoa teo aloha.
Ilay azo sokajiana, ho tehina nialoha ny kitay.
Tsy saonjo mihoatra akondro, fa tena nankato;
Ny fandaminana napetraka, hisian'ny fandrosoana.
Tsy ho sodokan'ny re, fa izay nilaina nirosoana.

Fitopolo taona androany, ilay zandry mahalasana;
Nahavita andraikitra sy adidy, nanerana ny firenena.
Tena fotsy volo, ny loha sola toy ny nokakasana.
Tsy nitandro hasasarana, fa tena ny aina no nomena.
Nitotototo nianatsimo, nihazakaza- niatsinanana
Lasa koa nianavaratra, nizara ho an'ireo tsy manana.

Fitopolo taona androany, ilay raim-pianakaviana;
Tena niezaka, nifofotra, tamin'ny androny rehetra.
Nampiasa saina foana, tsy mba varimbariana.
Andry niankinan'ny tokantrano, tsy nahery setra.
Niaina ny ankohonany tao anaty fitoniana;
Niaraka tamin'i Jesoa Tompo, lavitra ny fahoriana.

Fitopolo taona androany, mety hijanona amin'izay,
Ilay raim-pianakaviana, mpampianatra, mpitsabo.
Zatra miasa anefa, tsy te hitoetra, hipetraka, hitsilailay,
Te hivoatra foana, tsy ho isan'ny miiba, fa miabo.
Izay no fiainana an-tany, ho an’ny ambanilanitra;
Tsy hadino kosa ny ezaka, ho akaikin’Andriamanitra.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
29 Jona 2021

Ajouter un commentaire