Professeur Andry RASAMINDRAKOTROKA Faculté de Médecine d'Antananarivo Madagascar

FITOPOLO TAONA ANDROANY

FITOPOLO TAONA ANDROANY

Fitopolo taona androany, ilay olona iray.
Ny volony mainty taloha, efa tena nihafotsy.
Ny heriny sy tanjany, izay nomen'ny Ray;
Nentiny nanasoavana, nentiny nandrotsirotsy.
Ny feony avo nanaitra, nizarany ny tao am-pony;
Efa iva dia iva, tsy toy ny taloha intsony.

Fitopolo taona androany, ilay olom-pirenena,
Nanokana manontolo, ny fiainany rehetra;
Tamin'ny asa fanompoana, nanolorany tena.
Tsy nanadino tokantrano, ary ny aina no fetra,
Niezahany tsy niato, tsy maraina tsy hariva,
Vao mangiran-dratsy, hatramin'ny alina madiva.

Feno fitopolo taona androany, ilay mpitsabo izay,
Ary koa mpampianatra teny Anjerimanontolo.
Maro ireo notsaboiny sy nobeaziny hatrizay,
Miriaria sy tafita ary tsongoin'olom-bolo.
Fitsaboana sy fampianarana, tokoa mantsy,
Tsy azo tsinontsinoavina, fa ilaina toy ny vatsy.

Fitopolo taona androany, ilay zoky be toa ray;
Ilay voara be endriky ny saha, tokoa teo aloha.
Ilay azo sokajiana, ho tehina nialoha ny kitay.
Tsy saonjo mihoatra akondro, fa tena nankato;
Ny fandaminana napetraka, hisian'ny fandrosoana.
Tsy ho sodokan'ny re, fa izay nilaina nirosoana.

Fitopolo taona androany, ilay zandry mahalasana;
Nahavita andraikitra sy adidy, nanerana ny firenena.
Tena fotsy volo, ny loha sola toy ny nokakasana.
Tsy nitandro hasasarana, fa tena ny aina no nomena.
Nitotototo nianatsimo, nihazakaza- niatsinanana
Lasa koa nianavaratra, nizara ho an'ireo tsy manana.

Fitopolo taona androany, ilay raim-pianakaviana;
Tena niezaka, nifofotra, tamin'ny androny rehetra.
Nampiasa saina foana, tsy mba varimbariana.
Andry niankinan'ny tokantrano, tsy nahery setra.
Niaina ny ankohonany tao anaty fitoniana;
Niaraka tamin'i Jesoa Tompo, lavitra ny fahoriana.

Fitopolo taona androany, mety hijanona amin'izay,
Ilay raim-pianakaviana, mpampianatra, mpitsabo.
Zatra miasa anefa, tsy te hitoetra, hipetraka, hitsilailay,
Te hivoatra foana, tsy ho isan'ny miiba, fa miabo.
Izay no fiainana an-tany, ho an’ny ambanilanitra;
Tsy hadino kosa ny ezaka, ho akaikin’Andriamanitra.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
29 Jona 2021

Date de dernière mise à jour :

Ajouter un commentaire

Anti-spam