Ny anaranao milahatra amin’ny anarako,
toy ny volana mampiray ny lanitra sy tany.
Ny vatako tsy hafa, fa vatanao koa,
na faly ianao, na ory, na koa tomany.
Ny fanahiko miray amin’ny fanahinao,
toy ny ony mitambatra ho ranomasina.
Ny ho aviko tsy hafa, fa ny ho avinao koa,
mandritra ny andro, omen’ny Ray Tsitoha.
Ny tontolo manodidinako, ho zaridainanao :
hialanao sasatra, raha reraka sy trotraka ;
hitomanianao, raha tojo fahoriana ;
hihiranao, amin’ny androm-pifaliana ;
hitehafanao, amin’ny fotoam-pandresena ;
ka hiainanao, ny fiainam-paradisa mamy.
RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
08 May 2025