Créer un site internet

FIRAISANKINA

FIRAISANKINA

Izay mitambatra hono vato, izay misaraka fasika;
Hoy ny ohabolana Malagasy izay tsy mety lefy laza.
Antonona indrindra ankehitriny, satria tena mahakasika,
Ny miseho andavanandro, mba tsy hanaovam-be filaza.

Talohan'ny nisian'ny rivodoza, maro be ireo sahirana;
Sivifolo isan-jato, na an-drenivohitra na ambanivolo.
Samy nanana fijeriny ireo mpanao politika nanahirana;
Ady seza no nanjaka, teo koa ireo mpanao bontolo.

Tonga indray ny rivodoza, nahery vaika tsy hay tohaina;
Ka ny sisa tafatsangana, nitsipozipozy teny;
Dia narodany avokoa, hoy ny vaovao izay nampitaina.
Ireo mpanakiana lava, nahavariana, tsy nahitan-teny.

Lasa iny ny rivodoza, tonga indray ity ny atambo;
Tondradrano, tsy hay ahoana, manenika ny faritra iva.
Na trano na fiara difotra, moa ve tsy toy ny sambo!
Ny tany koa indrisy mihotsaka, ny moraly koa tena iva!

Ambon'izany rehetra izany, be ireo manararaotra;
Mangalatra, mampiakatra ny vidin'entana;
Tsy misy fahatsiarovan-tena, ts’isy tsetra ts’isy saotra.
Tsy mihaino akory ny fanabeazan'ny mpanentana.

Ny ohabolana malagasy, mameno ny voalaza eo ambony;
Trano atsimo sy avaratra, izay tsy mahalen-kialofana.
Asehoy ary ny firaisankina, omeo ny traboina koa ny zony.
Atsaharo ny fifandrafiana, ny kitoantoana  aleo hototofana.

Tanan-kavia sy havanana, izay didiana tokoa maharary.
Ny fahendrena malagasy nampiasa an’io sady tompony.
Fa ny rano sy ny vary, an-tsaha, an-tanana tsy mifanary.
Ampiharo ny firaisankina, hahazoan'ny taranaka tombony.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
10 Marsa 2017

Ajouter un commentaire