FARATSIHO ILAY TOKANA AMAN-TANY

FARATSIHO ILAY TOKANA AMAN-TANY

Misy distrika iray mahafinaritra,
Ao andrefan'ny Ankaratra ao.
Miaraka amin'ireo tanàna maro,
Inoana misy ny efa fantatrao:
Faratsiho, Antsapanimahazo,
Vinaninony, izay efa henonao;
Andranomiady, Ambohiborona,  
Ramainandro, inoana fa tianao,
Miandrarivo, Ambatondradama,
Mbola maro ny ankoatra ireo.

Distrika tena meva, nantsoina  
Hoe " la Frantsa kely " fahiny;
Noho ny zava-mampiavaka azy,  
Na taloha, na ankehitriny.
Ny mponina ao mahafinaritra,
Na tompontany, na vahiny.
Iza ary no tsy ho liana, tongava,
Tsidiho, fa tena tsara ny fisiany.
Ka satry foana handeha ho any,
Ireo tsy afaka tsy omena tsiny.

Maro ny toerana azo tsidihana,
Raha toa misy te-hiala voly.
Hisitrahana hakaton'ny natiora,
Na an-tanàna, na antanim-boly.
Hanaovana fanatanjahan-tena,
Hamakiana boky, na koa baiboly.
Tsara ho an'ny nofo, sy saina,
Ka hisinda, hiala ny sorisory.
Hanadinona ny olan'ny fiainana,
Ka tena ho maro no resin-tory.

Ny tany ao tena mahavokatra,
Indrindra fa ny fambolena ovy.
Be koa voly hafa, fiompiana,
Ho an'izay hisaina hampitovy.
Rehefa miasa an-tsaha, an-tanàna,
Misiotsioka, toa railovy.
Tsy misy mitsanga-menatra,
Ka hanontany hoe : zovy ?
Na aiza na aiza aleha, lazaina,  
Tena hafa ihany "mpitsoka ovy".

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
16 Febroary 2018

Ajouter un commentaire