FAHATSIAROVANA 29 MARSA 1947
FAHATSIAROVANA 29 MARSA 1947
29 marsa, andro iray ahatsiarovana;
Ireo Malagasy maro nahatsiaro tena.
Niady mba ahazo ny fahaleovantena;
Namoy ny ainy, ary fadiranovana.
29 marsa, namoretana ny Malagasy;
Handohalika tsy ho tafarina intsony .
Mbola izay ihany izao, be ny lonilony.
Aleo mangina, sao mahazo vody basy.
29 marsa, tokony ahatsiarovan-tena;
Tsy tokony iadiana sy ifandroritana.
Fa hiraisana hina sy hanoritsoritana,
Izay hampandrosoana ity Firenena.
29 marsa, andro iray manana tantara;
Tsy fanadino, na anio na mandrakizay.
Ahatsiarovana ny mahery fo hatrizay;
Maro izy ireo, be koa no azo ambara.
29 marsa, hijanona ho tantara ihany.
Mety tsy hotadidy, na hotsaroana aza;
Na lasa fitaovana ho an’ny te-halaza.
Ka tena mahalasa saina sy ny vinany.
29 marsa, hanombohana ny firaisankina;
Hampitsaharana koa ny adilahy politika.
Hibahanan’ny sosialy sy ekonomika.
Ary ny rehetra hatao manaraka ny vina.
29 marsa, hiandohan’ny fahaleovantena.
Tsy hiankin-doha amin’ny mpanjanaka.
Hiainana finaritra miaraka amin’ny taranaka.
Ka ho tapitra tsy hisy intsony ny fitiavan-tena.
RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
29 Marsa 2017
Ajouter un commentaire