Créer un site internet

FAHA 40 TAONA NY MARIAZY

FAHA 40 TAONA NY MARIAZY

Mandeha ny fotoana, efa efapolo taona sahady;
Nivononana, nirosoana sy niditra ny vavahady.
Vavahadim-piainan’olon-droa, hiatrika, hitady;
Ny fameloman-tena ho fahaleovantenan’ny mpivady.

Natao ny fisehoana, ny soratra tena tsotra izy izay.
Narahin’ny mariazy sy voady hifankatia mandrakizay,
Ao an-tranon’Andriamanitra, atao hoe tranon-dRay.
Ka ho tokam-po toy ny siny, fa tsy fitia  bemiray.

Ny mariazy tamin’izany, tena fanorenam-pototra;
Fanamasinana ihany, tsy nanasana olon-tsotra.
Vitan’ny fiarahabana sy ny tsodrano napololotra,
Avy ao am-po tsy nisy tsiny, na teny tafahoatra.

Ny nanombohana ny fiainana, tao anaty fihafiana;
Tena nitsipozipozy, ho anareo izay tena liana.
Na izany aza anefa dia natrehina tam-pitoniana;
Nankinina tamin’ny Tompo ka tsy tokony hahiana.

Nandeha teny ny fotoana, sady niasa no nianatra.
Niezaka, nitolona satria ny tanjo-nokendrena sy filamatra,
Dia ny ho tafita, mba ho lesona ary ho anatra,
Ho an’ireo taranaka sy dimby, satria ny soa koa fianatra.

Dia lasa tany ampita, nanohy, namita fianarana.
Nitohy ny ezaka sy tolona, tsy mba fotsy varavarana.
Dia niakatra ny vokatra, hita nangarangarana.
Noho ny fitahian’ny Tompo, tsara ny valin-kasasarana.

Tafaverina indray an-tanindrazana, niezaka nioitra foana.
Tsy nahalala hasasarana, na voky izay na noana.
Nifoha maraina, niari-tory, isanandro, mandavantaona.
Nikolokolo, nampivoatra ilay tokantrano teny foana.

Nihalehibe ireo zanaka, izay nezahina ho tafita;
Tana-masoandron’aina mba hilazana “nahavita!”
Tsy mbola tonga lafatra, satria kendrena mba hiampita;
Ho tsaratsara kokoa, fa tsy hionina amin’ny hita.

Rivo sy Tantely, Dera sy Lova ary Tiana Andrianina,
Sy ireo zafy: Idealy sy Imanoela, Alexia sy Ryan,
No taranaka efa eo, sady mamy, mahamanina;
Ho tahian’ny Tompo anie, izay no tsodrano nalamina.

Ankehitriny mitsingerina, manitsaka ny fahaefapolo taona.
Ho tonga kosa angamba ny hankalazana ilay fotoana.
Ho fiaraha-mifalin'ny rehetra, ho voky, tsy ho noana.
Tsy androany sy ampitso ihany, fa ho toy izany foana.

Ankalazao sy derao ary ifikiro ilay Tompo Andriamanitra;
Eo amin’ny fiainanao rehetra, mba handovanao ny lanitra.
Ka izay rehetra  atao  dia hamerovero feno hanitra.
Na tsara aza ny eto an-tany, mbola hafa any an-danitra.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
10 Desambra 2018

Ajouter un commentaire