Créer un site internet

FA NANKAIZA HOY AHO?

FA NANKAIZA HOY AHO?

Fa nankaiza, hoy aho, ilay fahendrena Malagasy?
Nitandro sy nihazona ireo soatoavina;
Ka nampiaiky ireo vahiny, na vazaha an-taratasy;
Ny fitandroana ny fahamarinana, narenty sy notoavina.

Fa nankaiza, hoy aho, ny fahendren’ny Ntaolo taloha?
Nikajy hatrany hatrany ny hisiam-pifanampiana.
Valala iray nekena hifanapahana, ary koa nikaonan-doha,
Hampirindra ny tontolo, mba tsy hisy hanoha riana.

Mba nankaiza, hoy aho, ireo toetra mendrika sy soa?
Mifampitsinjo foana na amin’ny mora na amin’ny sarotra.
Ny atsimo sy avaratra mifampiantso: avia, mandrosoa!
Tsy misy milamila vaniny, tsy misy adivarotra.

Mba nankaiza, hoy aho, ny fikajiana ny marina?
Toy ny anakandriamaso, noho ny tahotra an’Andriamanitra.
Tsy hifanambakan’ny manana sy ny sahirana;
Fa mifanampy eny foana, mba handovana ilay lanitra.

Mba nankaiza, hoy aho, ilay “lahitokana  ny aina”?
Ka tsy nisy sahy nandatsa-dra ireo tsy manan-tsiny;
Nifampiaro foana teny, mba tsy hisy hanao Kaina;
Dia hirindra ny tontolo, ho tokam-po, toy ny siny.

‘Ndao haverintsika indray, ilay fahendren’ny teo aloha;
Izay nampalaza antsika, ary tena nampiaiky ireo vahiny.
Ka samy hitondra ny anjara biriky folo zato ambony loha,
Dia halain-tahaka hatrany, toy ny taloha ny ankehitriny.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
24 Aogositra 2016

Ajouter un commentaire