Créer un site internet
Professeur Andry RASAMINDRAKOTROKA Faculté de Médecine d'Antananarivo Madagascar

FA NANKAIZA HOY AHO?

FA NANKAIZA HOY AHO?

Fa nankaiza, hoy aho, ilay fahendrena Malagasy?
Nitandro sy nihazona ireo soatoavina;
Ka nampiaiky ireo vahiny, na vazaha an-taratasy;
Ny fitandroana ny fahamarinana, narenty sy notoavina.

Fa nankaiza, hoy aho, ny fahendren’ny Ntaolo taloha?
Nikajy hatrany hatrany ny hisiam-pifanampiana.
Valala iray nekena hifanapahana, ary koa nikaonan-doha,
Hampirindra ny tontolo, mba tsy hisy hanoha riana.

Mba nankaiza, hoy aho, ireo toetra mendrika sy soa?
Mifampitsinjo foana na amin’ny mora na amin’ny sarotra.
Ny atsimo sy avaratra mifampiantso: avia, mandrosoa!
Tsy misy milamila vaniny, tsy misy adivarotra.

Mba nankaiza, hoy aho, ny fikajiana ny marina?
Toy ny anakandriamaso, noho ny tahotra an’Andriamanitra.
Tsy hifanambakan’ny manana sy ny sahirana;
Fa mifanampy eny foana, mba handovana ilay lanitra.

Mba nankaiza, hoy aho, ilay “lahitokana  ny aina”?
Ka tsy nisy sahy nandatsa-dra ireo tsy manan-tsiny;
Nifampiaro foana teny, mba tsy hisy hanao Kaina;
Dia hirindra ny tontolo, ho tokam-po, toy ny siny.

‘Ndao haverintsika indray, ilay fahendren’ny teo aloha;
Izay nampalaza antsika, ary tena nampiaiky ireo vahiny.
Ka samy hitondra ny anjara biriky folo zato ambony loha,
Dia halain-tahaka hatrany, toy ny taloha ny ankehitriny.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
24 Aogositra 2016

Date de dernière mise à jour :

Ajouter un commentaire