FA NAHOANA KOSA MOA?

FA NAHOANA KOSA MOA?

Fa nahoana kosa moa ny fiainana an-tany,
No mirimorimo tsy misy ohatra izany?
Mazoto ianao na kamo, tsy maintsy mijoro,
Izay lalan-kizorana anie tsy ho torotoro.

Fa nahoana kosa moa ny zavatra rehetra,
No miovaova, tsy voafehy, tsy misy fetra?
Ifandimbiasan’ny fifaliana sy tomany.
Ny ambony androany, ny ampitso ambany.

Fa nahoana kosa moa, ireo zava-manahirana,
No tsy azo avadika, ho zavatra mangirana?
Ny tsy fahombiazana, hisolo fandresena;
Ny noana ho voky, tsy misy intsony mosarena.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
19 Jona 2016

Ajouter un commentaire