Créer un site internet
Professeur Andry RASAMINDRAKOTROKA Faculté de Médecine d'Antananarivo Madagascar

ENGA ANIE IANAO!

Enga anie ianao!
Ho masoandro mamiratra,
manazava tsy mitsahatra,
izao tontolo izao,

Enga anie ianao!
Ho volana mibaliaka,
mandefa tara-pahazavana,
anaty alina mangina.

Enga anie ianao!
ho kintana fitarikandro,
mamiratra miavaka,
anivon-kintana an’alinkisa.

Na ho toy ny vatako ihany,
ialokalofan’ny foko,
amin'ny fiainako eto an-tany,
ary koa tsy miova loko.

Na ho toy ny foko ao anatiko,
izay tia anao hatrany,
na anatin’ny fifaliana,
na koa anatin’ny tomany.

RASAMINDRAKOROKA Andry Tiana
04 May 2025

Date de dernière mise à jour : Sun 04 May 2025

Ajouter un commentaire

Anti-spam