EMBONA SENDRA NANDALO

EMBONA SENDRA NANDALO

Ny itodihana ny lasa,
Hibanjinana ny ho avy.
Mitambolona miverina,
Ao an-tsaina ny taloha.
Toa ny vao  omaly anefa,
Eo daholo ny mpianakavy;
Na ny mbola eto an-tany,
Na ireo  efa lasa nialoha.

Ny fotoan'ny fahazazana,
Mbola bitika ny tena.
Nilalao, nihazakazaka,
Teny rehetra rehetra teny;
Nisy ny fotoana, voantso,
Lasa ny iraka hiantsena.
Nisy koa  ireo zava-maro,
Nahafaly na nahasorena.

Nandeha teny ny fotoana,
Dia nirosoana ny fianarana.
Niezaka, nilofo sy nihoitra,
Sao mba ho mety ihany.
Nivoaka marain-tsy hariva,
Tsy mba fotsy varavarana.
Fa ny tanjo-nokendrena,
No nobanjinina hatrany.

Nihalehibe ny tena, nahafaly,
Nandeha tsara izay natao;
Nisy ihany anefa ny andro,
Ny fotoana maro nanahirana.
Tsy natao ho ola-nampijaly,
Fa fanoitra nenti-nanavao,
Ilay tanjona any am-parany,
Nokajiana tsara tsy hivilana.

Ny tena fahombiazana anefa,
Tsy ny hahatafitana ihany;
Fa ny ezaka sy filofosana,
Hahatrarana ny asaramanitra;
Dia ny fananan-tokantrano,
Tarana-mendrika hatrany;
Eo ambany fiahian’ny Ray,
Sy Jesoa any an-danitra.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
21 May 1995

Ajouter un commentaire