Créer un site internet

EMBONA AN’I DADA

EMBONA AN’I DADA

I Dada ve, lehilahy sarotiny,
Tam’izay nety ho fianarana ;
Nataony làlana nosoritiny;
Anaty rijam-pananarana.

I Dada ve, ilay tia fihavanana,
Nampianatra, nanabe hatrany,
Mba hiantra ireo tsy manana;
Fa tsy ny ho an’ny tena ihany.

I Dada ve, ilay tena niaro,
Raha sendra nisy ny olana.
Tsy tia ny nampifangaro,
Ny masoandro sy ny volana.

I Dada ve, lehilahy nahery,
Nibetroka raha izy niteny;
Kanefa tsy nanao an-tery,
Teny mifono fitiavana ireny.

I Dada ve, ilay hany nampihatra,
Izay voarakitry ao anaty Baiboly;
Ho an’ny zanaka tiana, nampihatra,
Ny tsorakazo, naharary, nahangoly.

I Dada ve, noheverina ho nasiaka,
Ra’ notsaraina ivelany ihany ;
Toa andro maina nangatsiaka,
Fitiavam-be daholo izany.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
10 Jona 2020

Ajouter un commentaire