Créer un site internet

AZAFADY TOMPOKO!

AZAFADY TOMPOKO!

Teny iray tena fampiasa,
Isaky ny niteny teo aloha.
Miha adino, tsy dia faheno
firy kosa moa ankehitriny.
Sa efa vakoky ny lasa;
Tsy hivakiana loha moa?
Efa natobaky ny siny feno,
Zary sisa tsiahin'ny fahiny.

Teny iray nanan-danja,
Mariky ny fanajana koa.
Fandre foana isanandro,
Teny tsy nanam-paharoa.
Namiratra tsy lany manja,
Toy ny tanamasoandro.

Teny iray ary tena nihaja,
Taratry ny fahaiza-miaina;
Nametraka ny ray sy reny,
Avara-patana sy lalaina.
Mendrika homena lanja,
Hotiavina sy ho to teny.

Teny niloaka eo am-bava,
Rehefa nialoha ireo zoky;
Na rehefa nifanatri-tava,
Amin'ny manana na kamboty.
Teny tsy tokony ho hadino,
Ary tokony hampiasaina foana;
Dia ianao sy izaho dia hino,
Fa hilamina mandava-taona.

Teny iray mifono zava-maro,
Ekena ho lalam-pitondratena,
Na an-trano, na an-tanàna;
Na manana, na mananotena;
Na manadino, na mahatsiaro.
Fomba tsara, tsy azonao ialàna.

Teny iray feno fahendrena,
Ho fampiasan'ny rehetra;
Taratry ny harena anaty,
Soatoavin-ts’isy fetra.
Teny taratry ny fifanajana;
Mba tiana haverina indray,
Satria tsapa, tsy azo ialàna,
Anio, ampitso, rahatrizay.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
02 Marsa 2017

Ajouter un commentaire

 
×