AZA MANDORO TANINDRAZANA

AZA MANDORO TANINDRAZANA

Madagasikara, nosy meva, tena kanto;
Rakotra ala fahiny, n’aiza n’aiza’aleha.
Nahasarika ny maro, izay tonga mba handrato,
Ny hatsaran'ny natiora, ka lasa ho rehareha.

Maro ireo zavamaniry, hita eny rehetra eny,
Nampiavaka ilay Nosy Madagasikara.
Toy izany koa ny biby, hita ombieny ombieny;
Tsy fahita na aiza na aiza, tonga lafatra sy tsara.

Indrisy, ankehitriny, ilay nosy maitso lasa mena;
Ny renirano nikoriana, zary moana sa nangina;
Ilay nosy tia nianjaika, toa mifono lambamena,
Noho ny dorotanety, ankaso atao fanahy iniana.

An'arivony hekitara ny ala may isan-taona;
An'aliny ihany koa ireo biby, tsy nifidy hamoy aina.
Izay rehetra jerena, tontolo mainty toa misaona.
Maro ihany am'izany, ny tsy mety tonga saina.

Rahoviana re, no ho tonga saina, isika Malagasy?
Na ny manam-pahefana, na ny vahoaka madinika.
Hiandry tany karakaina ve, sao re hangasihasy!
Hanjoretra, very saina, tsy aleo ve mba mandinika.

Ny ataontsika ihany, no mifototra amintsika.
Ny nenina  tokoa tsy aloha, fa aoriana.
K’izay rehetra mba nafana, ho lasa mangatsiaka;
Ary ‘zay nangatsiaka, hahamay sy ho fahoriana.

Ajanony hatreo ny fandoran- tanindrazana,
Izay tena manabotry sy mamono firenena;
Raha tsy izany izay jerena, dia ho lasa ngazana.
Tontolo tena resy, mampitomany mahonena.

Tonga re ny fotoana, ‘ndao samy hamboly hazo.
Hikajy ny tontolo iainana, mba samy ho tamana;
Ka na ny zavamaniry, na ireo biby, mba hahazo,
Ny fiarovana sahaza, hisitrahany ny mana.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
27 Septambra 2019

Date de dernière mise à jour : Lun 22 avr 2024

Ajouter un commentaire