AZA MANAO ORY HAVA-MANANA!

AZA MANAO ORY HAVA-MANANA!

Mahavariana ny mandinika fisainantsika Malagasy;
Lany andro mifanenjika amin'ny zava-maro miseho.
Mifampikapa ranjo foana mifampively vody basy;
Avy eo samy potika, torotoro, ny tontolo mankaleo.

Raha teratany no mihoitra ka mba misongadina;
Enjehina haratsiana, lotoina isanandro vaky izao.
Potraka amin-tany rehefa vita ny adinkadina;
Noho ny atsanga tsy aman'orana mahafeno tabilao.

Ny fihariana vita: risoriso hono, halatra daholo.
Amoronan-tsakana ‘zay fananana mitsangana.  
Ny ezaka andresena lahatra, fananaovana bontolo.
Raha vao mihetsika, indro arendrika ny lakana!

Raha vahiny, vahiny teratany no mpanefoefo,
Ekena marindrano, izany no lalàn’ny natiora.
Tsy misy manelingelina na mpanana na marefo.
Misy aza mankasitraka sahy manatitra miora.

Ekena, misy mpangoron-karena tsy hita fototra;
Aza atao an-tsobika iray ny Gasy mba manana.
Tsy tokony hoharatsiana na henjehina hidofotra.
Ho very anie ny Firenena, ho very ireo namana!

Raha izany ny fisainana, tsy hisy fandrosoana.
Toy ny "ory hava-manana" misintona midina;
Tsy mifandrisika hiakatra ho hita eo anoloana,
Tsy hisy tavela, satria natsangana ny nitsingidina.

Hafatrafatra kely ho an'ny Gasy mba tafita,
Ny milanja orona fadio, toy izany koa ny miavona;
Raha izay mantsy, ho ratsy daholo ny zava-bita,
Ny olona hifanipaka toy ny valala an-karona.

Ilana fiovan-toe-tsaina raha tiana handroso ny Nosy.
Trano atsimo sy avaratra izay tsy mahalen-kialofana.
Mifanampy, mifanohana tsy hisy ho lasa androrosy;
Satria vary sy rano, izay kitoantoana azo totofana.

RAS AMINDRAKOTROKA Andry Tiana
04 May 2019

Ajouter un commentaire