Créer un site internet

AVADIHO IM-PITO

AVADIHO IM-PITO

Avadiho im-pito ny lela vao miteny;
Tsy ho rano raraka; tsy ho azo raofina.
Na miteny mafy ianao, na koa malemy;
Izay aloaky ny vava kajio ho teny maotina.

Ny teny tsy voatandrina mety mandratra,
Ny saina sy ny fo rotiky ny fahoriana.
Hiteraka aretim-po, aretin-tratra,
Loza sy atambo hamonjem-pandriana.

Ny fifandraisana amin'olon-kafa mantsy,
Ilaina fitandremana sy fahamailona lalina;
Mety hampidi-doza toa lelan'antsy,
Hanapa-torimaso koa amin’ny alina.

Ramalina aza hono mifehy hazotokana,
Amin'ny zavatra rehetra mety miseho.
Hialana amin'ny olana maro na tokana,
Mipoitra tsy ampoizina ka mampitoreo

Avadiho impito aloha ny lela vao miloa-bava,
Mba tsy hampisendaotra ny mpianakavy.
Hosorohina mialoha tsy ho gidra lava,
Eo amin'ny mpirahalahy sy mpirahavavy.

RASAMINDRAKOTROKA Andry - Tiana
06 Desambra 2017

Ajouter un commentaire

 
×