ATAOVY TOY NY TANY AMPIANDOHANA
ATAOVY TOY NY TANY AMPIANDOHANA
Ataovy toy ny tany am-piandohana,
Irony fiarahana amin’olon-tianao.
Tena tsotra sy madio, tsy isalasalana,
Ilay fitia nitsiry tao am-po hatramin’izao.
Ataovy toy ny tany am-piandohana,
Ny teny sy ny tsiky eo imolotrao.
Mahatehotia, tena mahasalama,
Mandeha ho azy koa ny zavatra atao.
Ataovy toy ny tany am-piandohana,
Ny sangisangy, ny zavatra fanao.
Na mafana ny andro na koa mamanala,
Tsy hiova mihitsy ary tsy ho lao.
Ataovy toy ny tany am-piandohana,
Tokam-po toy ny siny hatram’izao.
Any am-piasana na ao an-tanàna,
Hifampiantso hoe: “Fa aiza ianao?”
Ataovy toy ny tany am-piandohana,
Ny adiadiady kely maro mora hadino,
Tsy ho tra-maraina ary mora hialana,
Hanimba mantsy, mety tsy hampino.
Ataovy toy ny tany am-piandohana,
Hifampierana hatrany ny zavatra hatao.
Ho tena mafy orina toy ny lalàna,
Ilay tokantrano mamy izay naorinao.
Ataovy ho toy ny tany am-piandohana,
Ny fitadiavana ny vady andefimandrinao.
Tsy andry mihitsy ‘zay hifankahitana,
Eny satry foana hihaona izao dia izao.
Ataovy toy ny tany am-piandohana,
Ny fivavahanao ho an’ny olon-tianao.
Ho lavitra azy foana ny asan’i Satana,
Ho sambatra hatrany izy sy ianao.
RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
21 Febroary 2017
Date de dernière mise à jour : Lun 22 avr 2024
Ajouter un commentaire