Créer un site internet

ARAHABAINA NAHATRATRA NY TAOM-BAOVAO

ARAHABAINA NAHATRATRA NY TAOM-BAOVAO

Arahaba madinidinika, nahatratra taom-baovao.
Nahatsipaka amin-kery iny taona ratsy iny;
Taona lasa tena mafy, toy ny zioga sy ny bao;
Nampitaintaina, nampanembona ny tsara fahiny.

Arahaba tsy ankanavaka, tsy maty fo aman'aina;
Niangaran'ny vintana ka mbola velon'aina ankehitriny,
Na ny nandova tany lonaka, na tany karankaina.
Izay ananana ifaliana, tsy tokony hifanomezan-tsiny.

Arahaba am-panajana ireo ray aman-dreny sy zoky;
Hazo amoron-tevana, hono, kanefa namijoro hatrany.
Tsy hadino koa ireo zandry, ireo tarana-mahatoky,
Vato mandondona e, tsy nianjera tamin'ny tany.

Hikapa hahita ny tonony, handidy hahita ny vaniny.
Hambinin-java-manasatra am’izay rehetra hatao.
Hahomby amin'ny adidy sy andraikitra sahaniny.
Hotsongoin'olom-bolo eo anivon'izao tontolo izao.

Ho mamy tian'ny vola, ho mangidy lavitra ny faty.
Ny lalan-kombana koa, ho lavitra ny loza sy atambo.
K’izay rehetra kasaina, hitondra fifaliana ao anaty;
An-tsaha, eny an-tanàna, na hatrany anaty sambo.

Tsy ho solafaka an-dalana, tsy ho fotsy rora miteny.
Hisitraka tsiron'ny tany, hirotsahan'ny andon'ny lanitra.
Na matory na mifoha, na mandeha eny rehetra eny.
Ho eo ambany fitahian'ilayTompo Andriamanitra.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
02 Janoary 2018

Date de dernière mise à jour : Lun 22 avr 2024

Ajouter un commentaire

 
×