ANDROM-PAHANTERANA

ANDROM-PAHANTERANA

Mandroso ny andro,
Ny volana, ny taona;
Toy ny masoandro,
Miatrana eo anoloana.

Ilay hoditra nalefaka,
Fony mbola zaza;
Mikentrona, milepaka,
Hoy ireo be filaza.

Ireo tongo-mailamailaka,
Mpanao dia an-katoka;
Manana olana mandàka,
Mihisatra, mitsatoka.

Ilay tanana havanana,
Amin'izay rehetra atao:
Lasa votsa, tsy namana,
Isanandro vaky izao.

Ilay saina tena naranitra,
Nahafehy solosaina;
Lasa tena very hanitra,
Tsy azo intsony antenaina.

Ireo maso roa nahiratra,
Afa-nijery nahita tsara;
Mila tsy mety mihiratra,
Tsy mahalala maramara.

Ilay avokavo-nisefoana,
Namelombelona ny aina,
Sempo-dava eny foana,
Mila hahaverivery saina.

Ilay fo afa-niatrika,
Ny fisedrana nahamay;
Tsy afa-kifanatrika,
Amin-javatra tsy hay.

Raha bangoina fohy,
Ny androm-pahanterana;
Mbola antenain-kitohy,
Ny ambiny tsy ferana.

Fotoana fanararaotra,
Ny androm-pahatanorana,
Tsy ho lany andro loatra,
Hanamparan-kadalana.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
23 Janoary 2020

Ajouter un commentaire

 
×