Tsy maty fa matory

Tsy maty fa matory

 

Tsy maty fa matory
'ty poety ngezalahy,
fa any foana ka izory
'zao bitsika am-panahy.

Tsy maty fa matory,
hoy ny sanganasany
velombelona, mitory
eto ihany 'rony lasany.

Tsy maty fa matory,
hoy ny fahatsiarovana
miverimberina, mamory
'reny soany ka narovana.

Tsy maty fa matory,
hoy ny foko malahelo
tsy mba nahita akory
'zato izy, na tsy avelo.

Tsy maty fa matory,
hoy ny olona niteny,
tsy nivimbin-tsorisory
fa nanaja azy ombieny.

 

Fredy JAOFERA (Ho fahatsiarovana an’I Rado)

 

Date de dernière mise à jour : Ven 02 juil 2021

Ajouter un commentaire