Créer un site internet

Tiako holazaina anao

TIAKO HOLAZAINA ANAO…

 

Tiako holazaina anao fa…

Ny fotoana rehetra lany
Niarahantsika roa
Tena toy ny nofy mamy
Nahasambatra ny fo…

Tiako ny mijery anao
Kanto ny salovanao
Ary ianao raha miteny
Toa mozika tsara feo
Manakoako eny ho eny
Manafoana ny toreo !…

Ny topimasonao mijery
Tena fanovozan-kery
Hoenti-miatrika ny fiainana
Manafoana fitarainana.

Ireo angoty fanaonao
Tena mamy tsotra izao
Raha toa mikentrona ny tava
Vao iantefan'ny hantanao
Ny adin-tsaina indro rava
Noho ny tsiky alefanao !…

…Dify izany anefa izao !
Tonga kitroka ny tany
Amin'iza aho no hitalaho ?
O ! ny masoko tomany !…

Izaho tsy afaka handidy
Fa izay no safidy
Mahadiavolana anao…
Tsisy mihitsy ratsy vita
Nefa ianao dia nandao
Lasa ianao… niampita !

Izaho tsy hanome tsiny !
Tsofin-drano ianao ho soa
Efa vita ny amin'iny
Foana teo ny « isika roa »

Ny Hanitra

Date de dernière mise à jour : Ven 02 juil 2021

Ajouter un commentaire