Tia
TIA
Tiako ianao no sady hàlako
Fa mangidy koa no mamiko !
« Fahavaloko », « Malalako »
Samy anaranao raha amiko.
Angolaiko hoe « fitiavako »
Na bantiko hoe « Mpamitaka »
Mifangaro eo am-bavako
Ny hatezerana sy sitraka.
Tezitra aminao ny foko
Misamboaravoara erikitra !
Kelikely indray… Misoko
Ilay fitiavako mamikitra.
RADO (1966)
Date de dernière mise à jour : Lun 05 juil 2021
Ajouter un commentaire