Créer un site internet

Taona firy moa izao...

TAONA FIRY MOA IZAO …

 

Taona firy moa izao
No efa niarahantsika ?
Fa mbola tiako foana ianao
Ry Masoandroko baliaka…
Folo, folo, miampy folo
Sy ny maro mbola ho avy
Nefa tsy nanova volo,
Nefa tsy nanova loko
Ilay fitia ao am-poko
Izay kaloiko ho anao
Isanandro vaky izao…

Mikentrona tokoa ny endrika
Ny volontsika indreo mipika,
Nefa tsy nanova bika
Ny fitiavako tsy rendrika
Izay trotroiko ao an-tratra
Miorina ao, mahazo laka
Ka kaloiko isanandro
Raha miposaka ny andro
Ho anao izay lalaiko,
Ho anao Sombinaiko…

Inona àry no tsy azoko
O ! ry tiako sady vazoko
Nandritra izay fotoana izay ? :
Fatoran-droa miampy iray.
Ary izao dia miampy indray :
Radzo moa efa tojo
Ny olon-tiany
Ho fifaliany.
Eo anilany isanandro ilay lalainy sady maminy
Ilay nanorina ny akaniny
Ilay hifampitantana aminy
Hamakivaky ny alon-drano
Eo anivon-tokantrano
Izay kitro hifaharana
Ho antoky ny hasambarana

I Misa koa tsy ambaka izany
Efa miorina ny akany
Itohofany ny mamy
Anilany eo koa ny tiany
Miantoka ny fifaliany
Nanolorany fitiavana
Sy natsangany ho havana
Hitantana azy, tsy handao

Ilay lahitokantsika moa
Diso fantatrao tokoa.
I Menja koa ankehitriny
Tsy tahaka ny fahiny
Fa efa eo koa ny tiany …
Tsaroanao ve fa vao omaly
Izy zaza notrotroina
Mbola zaza nampofoina
Tia korana, falifaly ?…
Dia nikorisa ny fotoana
Nifandimby teny ny andro ka nivalona ho taona
Ka indro izy ankehitriny
Tanora tena maitso volo
Noho ianao nanolokolo.
Dila leitsy ny fahiny !…

Ary ilay akanintsika roa
Tsotra kely tany aloha,
Moa va tsy trano bongo ?
Tadidinao ny fiafiana ?…
Nefa nisy fifaliana.
Tena nisy hasambarana.
Noho ny ezakao tsy miato
Tsy nitandroanao hasasarana
Isanandro vaky izao…
Dia niova bika ilay akany
Ka nivoatra hatrany hatrany :
Tanàna soa, eny, vohitra
Feno soa mitontohitra.
Iza no nanao izany ?
Tsy iza fa ianao ihany…

Misaotra leitsy, misaotra indrindra,
Ry Fitia tsy mifindra !
O ! ry Mamiko indindra !
Enga anie ny fiainanao mbola hamiratra hatrany
Ny fahanteranao : ho ampoky ny mamy
Enga anie ny hiranao ho fitiavan-tsy ho lany
Enga anie, enga anie, izany olon-tiako izany

 

Ny Hanitra

Date de dernière mise à jour : Ven 02 juil 2021

Ajouter un commentaire