Tafatoetra

Tafatoetra

Tafatoetra ao am-poko miaraka aminao androany,
Ny hasambara-nokatsahiko hiononako eto an-tany!
Ny hatsaran-tarehy nohiraiko sy ny bika nokatsahiko
Tsy alaiko noho izay hitako aminao navahiko ...

Sodokan'eritreritra aho izay elabe izay ...
Hetahetan'ny tanteraka, afo mampiolomay
No nandoro ny fisainako! 'zay nenjehiko kanefa
Moa tsy volavolam-bika tsy haharitra rehefa?

Fa ny hitako aminao dia ny vatosoa miafina;
Perla mamirapiratra, satry foana hotarafina
Fa mampita hazavana mampionona fanahy ...

Tia ny endrikao aho, mamkamamy anao tanteraka;
Nefa mbola ambony lavitra, manan-kery haninteraka
Ny fanahy atolotrao hiara-tsambatra amin'ny ahy!

DOX

Date de dernière mise à jour : Lun 05 juil 2021

Ajouter un commentaire