Rehefa tia

Rehefa tia

Rehefa tia ianao, tiava fotsiny ihany
Fa aza mieritreritra hilaza izany akory
Tehirizo anaty 'lay eritreri-mamy
Sao vaky fefiloha ny sisin'ny kamory

Nahoana raha mangina fotsiny am'zao
Sao ny sarobidy no lasa very hasina
Hiverina im-piry ny sotrokelinao
Vao mety haharitra izato ranomasina

Hamafiso zaitra ny sisi-molotrao
Fa maika hampitombo ny rakitry ny fo
Filamatra iray no holazaiko anao
Ny tia fa tsy miteny, no tena tia tokoa

RADO

Date de dernière mise à jour : Ven 02 juil 2021

Ajouter un commentaire