Créer un site internet

Ny hodotro

Ny hodotro

 

Satria mainty hoditra aho, dia ailika avy hatrany

Ho avy amiko avokoa ny zava-dratsy ety an-tany

Maintihoditra aho ve, dia lazaina, arangaranga

Ho vokatry ny hamaintisako ny korontana mitranga ?

Apetapetaka daholo ho tena haratsiam-panahiko

Ny hosokosoka rehetra, na kilema izay tsy ahiko.

Ary dia avahana aho, k’izay toerana aidrako

Dia androahana ahy daholo noho ny lokom-pihodirako !

 

Soa ihany anefa kosa mbola misy ny mozikako

Dia manambara ny alahelo sy fangitako

Findraindray miraondraona toy ny rian izay mitosaka

Indraindray mapanantena masoandro mbola hiposaka

Indraindray toa manambara ady dsady fitolomana

Indraindray toa malahelo sy miventy fanembonana…

 

Ary io feon-kirako io  feon-kira-mainty hoditra

Feon-kira mampahery sady mapihovitrovitra…

Io no heriko, satria raha tendrena sady tsofina

Na ny fotsihoditra aza, babo manongilan-tsofina.

 

RADO, 09 mai 1969

Date de dernière mise à jour : Lun 05 juil 2021

Ajouter un commentaire