Ny fahaleovantena

Ny fahaleovantena

Ny Fahaleovantena dia tsy natao mihitsy
hoenti-kahasambatra fiainan’olom-bitsy.
Fa Fahaleovantena tsy manam-piangarana
hampigoka mamy ny isam-baravarana

Ny Fahaleovantena : tsy trosa tsy miato
iandrandrana vola avy any Dilambato
Fa ezaky ny tena mitohy tsy mety lanaka
tsy haharaiki-trosa ny hoavin’ny taranaka

Ny Fahaleovantena : tsy fanomezan-dasy
ny tenin’ny vahiny hasolo Teny Gasy
Fa Fahaleovantena derain’ilay mitazana
hanandratra ambony ilay Fitenin-drazana

Ny Fahaleovantena : tsy haitraitran-javona
ka iambonian-tenarakofana avonavona
Fa fanetrena tena hitovy amin’ny hafa
Miaraka misaina, miaraka mitafa

Ny Fahaleovantena : tsy endrika sodokan’
ny fiheverantena ho mahavita tokana
Fa hevitry ny maro mitapatapak’ahitra
ny hoavim-pirenena hitera-boninahitra

Ny Fahaleovantena : tsy fanomezam-bahana
ny hevitra-vahiny hanjaka an-kalalahana
Fa Fahaleovantena mivimbina hamiratana
hanaja ny an’ny tena ho any avara-patana

Ny Fahaleovantena : tsy fitadiavan-tehaka
na horaka mandainga mba hampidehadehaka
Fa Fahaleovantena tsy andokafan-tena
fa fantatra eny ihany izay tia ny firenena

Ny Fahaleovantena : tsy hoe ianao mitsako,
fa ny vahoaka kosa mitrongy anaty fako
Fa Fahaleovantena ahitana toky
ka ny maroanisa no sambatra sy voky.

Ny Fahaleovantena : tsy vola fafy katrana
hividianan’olona ho sandam-pisandratana
Fa Fahaleovantena mitana fahamarinana
hitaiza ny vahoaka tsy ho any am-pivarinana

Ny Fahaleovantena : tsy laza vady bainga
am-pielezam-peo, kanefa tranon-dainga
Fa Fahaleovantena milaza ny ao an-tranony
tsy misy laingalainga na mila ranondranony

Izany ka izany no Fahaleovantena
niadian’ny razantsika sy namonoany tena,
nidirany tam-ponja, niaretan-tsesitany,
namoizany ny hareny, namoizany ny rany

Anefa raha tsy izany no Fahaleovantena
iainantsika etoana, fa toa fitiavan-tena
sahia ka mijoroa hiady ho an’ny marina
mandra-pahatratra ny tanjona hotratrarina.

RADO 1991

Date de dernière mise à jour : Ven 02 juil 2021

Ajouter un commentaire

 
×